Leviticus 9:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noentiny nanatona avy eo ny fanatitry ny olona; nalainy ny osilahy hatao fanatitra fanadiovana ny olona dia novonoiny ary natolony ho fanatitra fanadiovana, tahaka ilay teo aloha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanolotra ny fanatitry ny vahoaka izy. Nalainy ny osilahy hatao sorona noho ny ota atolotra ho an’ny vahoaka, dia novonoiny ary natolony ho fanonerana torak’ilay sorona voalohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia natolotr’i Aharôna tamin’ny TOMPO ireo soron’ny vahoaka; ka nalainy ny osilahy hatao sorona fanalana ny otan’ny vahoaka, dia novonoiny ary natolony ho fanalana ny ota, tahaka ny nataony tamin’ilay ombilahikely teo aloha.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noentiny nanatona avy eo ny fanatitry ny olona; nalainy ny osilahy hatao fanatitra fanadiovana ny olona dia novonoiny ary natolony ho fanatitra fanadiovana, tahaka ilay teo aloha.
malagasy