Leviticus 9:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Novonoiny koa ny omby sy ny ondrilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ny olona; ireo zanak’i Arona dia nanolotra azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novonoiny ny ombalahy aman’ondralahy hatao sorom-pihavanana ho an’ny vahoaka. Natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka dia naidiny manodidina amin’ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany, novonoin’i Aharôna ny ombilahy sy ondrilahy izay nentin’ny vahoaka hatao sorom-pihavanana; dia natolotry ny zanany azy ny ra, ka nafafiny manodidina tamin’ny lafin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Novonoiny koa ny omby sy ny ondrilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ny olona; ireo zanak’i Arona dia nanolotra azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara izany.
malagasy
Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.