Leviticus 9:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natolony azy koa ny jaboran’ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ny jabora mandrakotra ny taovany ary ny voany roa sy ny ila atiny lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natolony koa ny tavin’ombalahy aman’ondralahy, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy, ny voany, ary ny saron’atiny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary natolotr’ireo azy koa ny tavin’ireo sorom-pihavanana ireo, dia ny jaboran-tsinainy sy ny voany ary ny ila-atiny mbamin’ny hofak’ilay ondrilahy;
Malagasy Bible 1865
Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natolony azy koa ny jaboran’ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ny jabora mandrakotra ny taovany ary ny voany roa sy ny ila atiny lehibe.
malagasy
Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,