Leviticus 9:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanandratra ny tanany manandrify ny olona i Arona ka nitsodrano azy; dia nidina izy rehefa avy nanolotra ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nasandratr’i Aarôna manandrify ny vahoaka ny tanany, ka nitso-drano azy izy; ary nidina izy, nony avy nanolotra ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana ary ny sorom-pihavanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voatolotr’i Aharôna ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo ary ny sorom-pihavanana, dia nanandra-tanana manandrify ny vahoaka izy ka nitsodrano azy; izay vao nidina niala teo amin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanandratra ny tanany manandrify ny olona i Arona ka nitsodrano azy; dia nidina izy rehefa avy nanolotra ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana.
malagasy
Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.