Leviticus 9:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy i Arona, koa rehefa avy tao izy roa lahy dia nitsodrano ny olona. Ary ny voninahitry NY TOMPO niseho tamin’ny olona rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna; nony nivoaka avy ao izy ireo, dia nitso-drano ny vahoaka. Ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitr’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Aharôna. Nony tafavoaka avy eo izy roa lahy, dia niara-nitsodrano ny vahoaka; ary niseho tamin’ny vahoaka rehetra ny voninahitry ny TOMPO:
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy i Arona, koa rehefa avy tao izy roa lahy dia nitsodrano ny olona. Ary ny voninahitry NY TOMPO niseho tamin’ny olona rehetra.
malagasy
Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.