Leviticus 9:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitondra izay nandidian’i Mosesy azy ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana izy; ary nanatona ny fiangonana manontolo ka nijanona teo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentin’izy ireo, ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izay rehetra nandidian’i Môizy azy, ary nanatona avokoa ny fiangonana rehetra ka nijanona teo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nentina teo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny zavatra nandidian’i Mosesy, dia nanatona ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo ka nijanona teo anatrehan’ny Toeramasin ’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitondra izay nandidian’i Mosesy azy ho eo anoloan’ny tranolay fihaonana* izy; ary nanatona ny fiangonana manontolo ka nijanona teo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy
Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.