Leviticus 9:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: Manatòna ny alitara ka atolory ny fanatitra fanadiovana avy aminao sy ny fanatitra dorana manontolo dia manaova fanavotana ho an’ny tenanao sy ho an’ny olona; atolory ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Manatòna ny ôtely ka atolory ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, ka manaova ny fanonerana ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka; atolory koa ny fanatitry ny vahoaka, ary manaova ny fanonerana ho azy araka ny nandidian’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo i Mosesy nilaza tamin’i Aharôna hoe: –Manatona ny alitara, dia atolory ny anao ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo, ka ataovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka: atolory koa ny soron’ny vahoaka ary anaovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka izy, araka izay nandidian’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: Manatòna ny alitara ka atolory ny fanatitra fanadiovana avy aminao sy ny fanatitra dorana manontolo dia manaova fanavotana ho an’ny tenanao sy ho an’ny olona; atolory ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’NY TOMPO.
malagasy