Luke 1:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izy mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny marina, ary hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo (Mal 3.23, 24).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hialoha azy amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina, hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izy mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny marina, ary hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo (Mal 3.23, 24).
malagasy