Luke 1:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namaly azy ilay anjely hoe: Izaho no Gabriela izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hanambara aminao izany vaovao mahafaly izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namaly ny Anjely nanao taminy hoe: «Izaho no Gabriely, ilay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra, ary nirahina aho hiteny aminao hampandre anao izany teny mahafaly izany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’ny anjely hoe: –Izaho no Gabriela, ilay mijoro eo anatrehan’Andriamanitra mba hanompo Azy; nirahiny aho hiteny aminao sy hanambara aminao izany hafatra mahafaly izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namaly azy ilay anjely hoe: Izaho no Gabriela izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hanambara aminao izany vaovao mahafaly izany.
malagasy
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.