Luke 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andron’i Heroda, mpanjakan’i Jodia, dia nisy mpisorona iray atao hoe Zakaria, isan’ny antokon’i Abia; ny vadiny dia avy tamin’ny taranak’i Arona, Elizabeta no anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andron’i Herôda mpanjakan’i Jodea, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria isan’ny fianakavian’i Abià, ary ny vadiny dia taranak’i Aarôna sy natao hoe Elizabeta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andron’i Herôda mpanjakan’i Jodea, dia nisy mpisorona natao hoe Zakarià, isan’ny antoko-mpisoron’i Abià. Taranak’i Aharôna mpisorombe ny vadiny ary i Elizabeta no anarany.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andron’i Heroda, mpanjakan’i Jodia*, dia nisy mpisorona iray atao hoe Zakaria, isan’ny antokon’i Abia; ny vadiny dia avy tamin’ny taranak’i Arona, Elizabeta no anarany.
malagasy
Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.