Luke 1:80 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nihalehibe ny zazakely ka nitombo hery am-panahy; nitoetra tany an-tany efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an’efitra, ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin’ny vahoaka Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nihalehibe ny zazakely ka nitombo hery am-panahy; nitoetra tany an-tany efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Israely.
malagasy
Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.