Luke 10:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! Fa raha mba tany Tiro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela izy ka nanao akanjo fisaonana sy nipetraka tamin’ny lavenona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidona ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna mantsy no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo mponina ao aminy no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny.
Malagasy Bible 1865
Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! Fa raha mba tany Tiro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela izy ka nanao akanjo fisaonana sy nipetraka tamin’ny lavenona.
malagasy