Luke 10:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niverina tamin’ny fifaliana ny fitopolo lahy ka nilaza hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: «Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faly tokoa ny 72 lahy raha niverina sady nanao hoe: –Tompo ô, nanaiky anay na dia ireo demony aza rehefa nodidianay tamin’ny anaranao!
Malagasy Bible 1865
Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niverina tamin’ny fifaliana ny fitopolo lahy ka nilaza hoe: Tompo ô, na dia ny demonia* aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
malagasy
Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.