Luke 10:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany ora izany dia ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy ka niteny hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: «Misaotra anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay fotoana izay indrindra, dia henika ny hafaliana tao amin’ny Fanahy Masina i Jesoa ka nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika. Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany ora izany dia ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy ka niteny hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
malagasy