Luke 10:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Jesosy namaly hoe: Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema hankany Jeriko ka nifanojo tamin’ny jiolahy, dia nendahany sady nokapohiny, ary nilaozany, rehefa saika maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jesoa taminy: «Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikô, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka novalian’i Jesoa hoe: –Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, nasian’ny jiolahy ka nendahany fitafiana sy nodarofany kapoka; ary efa saika maty ralehilahy vao nilaozan’ireo jiolahy nandositra.
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Jesosy namaly hoe: Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema hankany Jeriko ka nifanojo tamin’ny jiolahy, dia nendahany sady nokapohiny, ary nilaozany, rehefa saika maty.
malagasy
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.