Luke 10:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny ampitson’iny dia naka vola denaria roa izy ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny sady hoy izy taminy hoe: Karakarao izy; ary na ohatrinona na ohatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako rehefa miverina aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: ‹Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitson’iny, notolorany vola denàry anankiroa ny tompon-trano sady nataony hoe: «Karakarao ity olona ity; ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireto, dia honerako rehefa miverina aho.»
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny ampitson’iny dia naka vola denaria* roa izy ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny sady hoy izy taminy hoe: Karakarao izy; ary na ohatrinona na ohatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako rehefa miverina aho.
malagasy
Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.