Luke 10:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Marta kosa dia sahirana tamin’ny fanompoana maro; dia avy izy ka niteny hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Koa teneno izy mba hanampy ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa i Maria kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: «Tompoko, tsy mampaninona anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Marta kosa sahirana tamin’ny raharaha isan-karazany; dia niato izy ka nanao hoe: –Moa tsy mampaninona Anao ve, ry Tompo, izao amelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery izao? Mba asaovy manampy ahy re izy!
Malagasy Bible 1865
Fa Marta sahirana tamin'ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Marta kosa dia sahirana tamin’ny fanompoana maro; dia avy izy ka niteny hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Koa teneno izy mba hanampy ahy.
malagasy
Fa Marta sahirana tamin'ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.