Luke 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nivavaka tao amin’ny toerana iray Jesosy, koa rehefa nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany iray Taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’i Jaona ny mpianany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indray andro nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray i Jesoa, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: «Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nivavaka tao amin’ny toerana anankiray i Jesoa indray andro izay. Nony nitsahatra Izy, dia nilazan’ny anankiray tamin’ny mpianany hoe: –Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay, toy ny nampianaran’i Jôhany ny mpianany!
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nivavaka tao amin’ny toerana iray Jesosy, koa rehefa nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany iray Taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’i Jaona ny mpianany koa.
malagasy
Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany.