Luke 11:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahay hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo; tsy mainka ve ny Ray Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina an’izay mangataka aminy?
Malagasy Bible 1865
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahay hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy?
malagasy
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?