Luke 11:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandroaka demonia moana Jesosy. Ary rehefa niala ny demonia dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nandroaka demony i Jesoa, ka moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sendra nandroaka demony mampahamoana tamin’izay i Jesoa. Nony tafavoaka ilay demony, dia niteny ilay moana ka talanjona ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandroaka demonia* moana Jesosy. Ary rehefa niala ny demonia dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka.
malagasy
Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.