Luke 11:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha miala amin’ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nialako aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin’ny tanety maina izy, ka nony tsy mahita dia manao hoe: ‹Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita! Amin’izany dia hoy izy hoe: «Hody any amin’ilay trano izay nialako ihany aho.»
Malagasy Bible 1865
Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha miala amin’ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nialako aho.
malagasy
Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.