Luke 11:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny fiafaran’izany olona izany dia ratsy noho ny tamin’ny voalohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo. Ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa indray izy maka fanahy fito ratsy kokoa noho ny tenany ary miara-miditra ao izy rehetra ka miorim-ponenana. Ary ny toetra hiafaran’izany olona izany dia hahatsiravina kokoa noho ny toetrany voalohany.
Malagasy Bible 1865
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny fiafaran’izany olona izany dia ratsy noho ny tamin’ny voalohany.
malagasy
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.