Luke 11:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpanjakavavy avy any atsimo dia hiara-mitsangana amin’ny lehilahy amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy any amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa indro, misy lehibe noho i Solomona eto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin’ny fara vazantany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!
Malagasy Bible 1865
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpanjakavavy avy any atsimo dia hiara-mitsangana amin’ny lehilahy amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy any amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa indro, misy lehibe noho i Solomona eto.
malagasy