Luke 11:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka na ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho hitan’izay miditra ny mazava.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-katakonana na ao ambanin’ny vata famarana, fa eo amin’ny fanaovan-jiro izy no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Tsy misy mampirehitra jiro ka mametraka azy any amin’ny takona na manarona azy amin’ny vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany, hany ka izay miditra ao an-trano dia mahita ny hazavana.
Malagasy Bible 1865
Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka na ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho hitan’izay miditra ny mazava.
malagasy
Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.