Luke 11:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno fandrobana sy faharatsiana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy ny Tompo taminy: Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy kosa ny Tompo taminy: –Ianareo Farisianina itony, diovinareo tsara ny etỳ ivelany hatramin’ny vohon’ny kaopy sy ny vilia; kanefa ny ao anatinareo feno halatra sy haratsiam-panahy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno fandrobana sy faharatsiana.
malagasy
Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.