Luke 11:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa lozanareo, Fariseo! Fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo iretsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampalahelo ianareo, ry Farisianina! Fa voaloanareo ho an’Andriamanitra ny ampahafolon’ny solila sy ny veromanitra mbamin’ny anana famboly isan-karazany, nefa ataonareo tsirambina ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa.
Malagasy Bible 1865
Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa lozanareo, Fariseo! Fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo iretsy.
malagasy