Luke 12:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany, raha niangona ny vahoaka betsaka, an’arivony maro, ka nifanitsa-kitro, dia niteny tamin’ny mpianany aloha Jesosy hoe: Mitandrema ianareo amin’ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia tafangona ny vahoaka alikisa nifanitsa-kitro. Kanefa ny mpianany aloha no nitenenan’i Jesoa hoe: –Mitandrema tena ianareo amin’ny leviora n’ny Farisianina dia ny fihatsarambelatsihy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany, raha niangona ny vahoaka betsaka, an’arivony maro, ka nifanitsa-kitro, dia niteny tamin’ny mpianany aloha Jesosy hoe: Mitandrema ianareo amin’ny masirasiran’ny Fariseo*, dia ny fihatsarambelatsihy.
malagasy
Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema]