Luke 12:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitahirizako aho ka hanangana izay lehibe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavako ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray izy: «Izao no hataoko: horavako ny sompitra ankehitriny ka sompitra lehibe kokoa no hajoroko hamoriako ny variko sy ny fananako rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitahirizako aho ka hanangana izay lehibe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
malagasy
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.