Luke 12:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo fa aza manahy izay hanina hivelomanareo, na izay fitafiana hitafian’ny vatanareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray i Jesoa tamin’ny mpianany: –Izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin’ny hanina izay tohan’ainareo, na ny amin’ny fitafiana izay ilain’ny vatanareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.
malagasy
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.