Luke 12:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny Jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; nefa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ny Jentily amin’izao tontolo izao no manahy ny amin’izany rehetra izany. Fantatry ny Rainareo anie fa ilainareo izany e.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo mpanompo sampy eo amin’izao tontolo izao dia fatra-pikatsaka ireny rehetra ireny; ianareo kosa, fantatry ny Rainareo fa ilainareo izany.
Malagasy Bible 1865
Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny Jentilisa* amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; nefa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
malagasy
Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.