Luke 12:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amidio ny fanananareo ka atolory ho fiantrana, manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra atonina sady tsy misy kalalao manimba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan’ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba.
Malagasy Bible 1865
Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.