Luke 12:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony dia hampipetraka azy ireo hisakafo, ary ho avy ka hanompo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy.
Malagasy Bible 1865
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony dia hampipetraka azy ireo hisakafo, ary ho avy ka hanompo azy.
malagasy
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.