Luke 12:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha miteny anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy; dia mikapoka ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha izany mpanompo izany kosa, no manao anakampo hoe: ‹Ela vao ho avy ny tompoko› ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tàhiny kosa io mpanompo io manao anakampo hoe: «Mbola ho ela vao tafaverina ny tompoko», ka mihetraketraka amin’ny mpanompo hafa na lahy na vavy sady manaram-po mihinana sy misotro ary mimamo,
Malagasy Bible 1865
Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha miteny anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy; dia mikapoka ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
malagasy
Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,