Luke 12:46 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, dia hofaiziny mafy izy ka homeny anjara any amin’ny tsy mahatoky.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ho avy amin’ny ora tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ho tonga ilay tompony amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany; hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin’ny tsy mpino.
Malagasy Bible 1865
dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, dia hofaiziny mafy izy ka homeny anjara any amin’ny tsy mahatoky.
malagasy
dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[Na: hokapohiny mafy]