Luke 12:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izay tsy nahafantatra kosa ka nanatanteraka izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be no hitadiavana be; ary izay nampitahirizina be no hitakina bebe kokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay tsy mahalala kosa, nefa manao zavatra tokony hikapohana azy, dia hahazo kapoka kely. Izay nomena be no hitakiana be; ary izy nanankinana be no hadinina bebe kokoa.
Malagasy Bible 1865
Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izay tsy nahafantatra kosa ka nanatanteraka izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be no hitadiavana be; ary izay nampitahirizina be no hitakina bebe kokoa.
malagasy