Luke 12:58 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha miara-mandeha amin’ny manana ady aminao ianao hanatrika ny lehibe, raha mbola any an-dalana, dia ezaho izay hifanarahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ny mpitsara izy, ary ny mpitsara dia hanolotra anao amin’ny mpamatotra, ary ny mpamatotra dia hampiditra anao any an-tranomaizina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra an-tranomaizina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dieny mbola miara-dalana hamonjy ny manampahefana ianao sy ilay manana ady aminao, dia ataovy izay hahafahanao aminy; fandrao entiny hanatrika ny mpitsara tokoa ianao, ka ny mpitsara hanolotra anao amin’ny mpamatotra ary ny mpamatotra hampiditra anao am-ponja.
Malagasy Bible 1865
Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha miara-mandeha amin’ny manana ady aminao ianao hanatrika ny lehibe, raha mbola any an-dalana, dia ezaho izay hifanarahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ny mpitsara izy, ary ny mpitsara dia hanolotra anao amin’ny mpamatotra, ary ny mpamatotra dia hampiditra anao any an-tranomaizina.
malagasy
Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.