Luke 13:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy nandritra ny valo amby folo taona; nanjoko izy ka tsy afa-nitraka mihitsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony hatramin’ny valo ambin’ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy vehivavy anankiray teo, azon’ny fanahy ratsy mahafarofy nandritra ny 18 taona ka nanjoko tsy nahatraka mihitsy.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy nandritra ny valo amby folo taona; nanjoko izy ka tsy afa-nitraka mihitsy.
malagasy
Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.