Luke 13:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tezitra anefa ny mpanapaka ny sinagoga satria nanasitrana tamin’ny Sabata Jesosy ka niteny tamin’ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa mandritra izany no tongava hositranina fa tsy amin’ny andro Sabata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa sosotra ny lehiben’ny sinagoga noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro sabata, ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe: «Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin’ireo ianareo, fa aza amin’ny andro sabata.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra ny lehiben’ny sinagôga satria andro sabata no nanaovan’i Jesoa fanasitranana. Nandray fitenenana ny lehiben’ny sinagôga ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: –Andro enina no tokony hiasana; ka mandritra ireo andro ireo ianareo no tongava hositranina, fa tsy amin’ny andro sabata!
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tezitra anefa ny mpanapaka ny sinagoga satria nanasitrana tamin’ny Sabata Jesosy ka niteny tamin’ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa mandritra izany no tongava hositranina fa tsy amin’ny andro Sabata.
malagasy