Luke 13:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana nandritra ny valo amby folo taona, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ity zanaka vavin’i Abrahama izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona ity ve tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany amin’ny andro sabata?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ity vehivavy taranak’i Abrahama ity, 18 taona ngarangidina no voafatotr’i Satàna, moa tsy tokony ho amin’ny andro sabata indrindra ve no hamahàna fatorana azy?
Malagasy Bible 1865
Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana nandritra ny valo amby folo taona, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata va?
malagasy
Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?