Luke 13:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny voantsinapy izy, izay nalain’olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga hazo; ary ny voromanidina dia nanorina ny akaniny teo amin’ny rantsany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny voan-tsinapy nalain’ity lehilahy anankiray ary namboleny tao an-jaridaina; naniry ilay voan-tsinapy ka tonga hazo, ary nanaovan’ny voro-manidina akany tao amin’ny rantsany.
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny voantsinapy izy, izay nalain’olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga hazo; ary ny voromanidina dia nanorina ny akaniny teo amin’ny rantsany.
malagasy
Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.