Luke 13:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha vao mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary mijanona eo alatrano ianareo ka manomboka mandondòna ny varavarana ka miteny hoe: Tompoko, vohay izahay! Dia hamaly Izy ka hilaza aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria rehefa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hovaliany hoe: Tsy fantatro izay niavianareo
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nitsangana nanidy varavarana ny tompon-trano no ianareo mbola any alatrano, dia handondòm-baravarana ianareo hanao hoe: «Mba vohay izahay, tompoko ô!» Fa hovaliany hoe: «Tsy fantatro izay fiavianareo.»
Malagasy Bible 1865
Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha vao mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary mijanona eo alatrano ianareo ka manomboka mandondòna ny varavarana ka miteny hoe: Tompoko, vohay izahay! Dia hamaly Izy ka hilaza aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
malagasy