Luke 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nilaza ity fanoharana ity koa Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo amin’ny tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy fa tsy nahita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao ity fanoharana ity koa Izy: «Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanimboalobony, ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao ity fanoharana ity i Jesoa: –Nisy aviavy naniry tao amin’ny tanimboalobok’ity lehilahy anankiray. Tonga izy indray mandeha nitady voa tamin’ilay hazo fa tsy nahita.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nilaza ity fanoharana ity koa Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo amin’ny tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy fa tsy nahita.
malagasy
Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.