Luke 14:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha amin’ny toerana any aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao dia hiteny aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’izay rehetra miara-misakafo aminao ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha asaina ianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: ‹Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa, amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha nasaina ianao, ny toerana farany indrindra no vonjeo ipetrahana; ka rehefa avy ilay nanasa anao, dia hiteny aminao hoe: «Mandrosoa etsy alohaloha kokoa, tompoko »; izay ianao vao heni-kaja heni-boninahitra amin’ny mpiara-misakafo rehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha amin’ny toerana any aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao dia hiteny aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’izay rehetra miara-misakafo aminao ianao.
malagasy