Luke 14:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy kosa Jesosy tamin’ilay nanasa Azy: Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao dia aza ny namanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpiaramonina manankarena no asainao, fandrao hanasa anao koa ireo ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy kosa Izy tamin’ilay nanasa Azy: «Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia ilay nanasa Azy indray no nilazan’i Jesoa hoe: –Raha manasa olona hisakafo antoandro na hisakafo hariva ianao, aza mba ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanankarena iray tanàna aminao no asaina, fandrao hasainy koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy kosa Jesosy tamin’ilay nanasa Azy: Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao dia aza ny namanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpiaramonina manankarena no asainao, fandrao hanasa anao koa ireo ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
malagasy