Luke 14:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nitovy saina izy rehetra ka samy niala tsiny. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; miangavy anao aho, ekeo ny fialan-tsiniko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa samy niala tsiny izy rehetra. Hoy ny voalohany taminy: ‹Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; koa mihanta aminao aho, aoka re mba tsy ho tsiniko.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy rafitra niala tsiny avokoa anefa izy rehetra. Ka hoy ny voalohany tamin’ilay mpiasa: «Misy saha vao novidiko izay, ka tsy maintsy handeha hijery azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!»
Malagasy Bible 1865
Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nitovy saina izy rehetra ka samy niala tsiny. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; miangavy anao aho, ekeo ny fialan-tsiniko.
malagasy
Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.