Luke 14:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga ilay mpanompo dia nambarany tamin’ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nilaza tamin’ilay mpanompony hoe: Mandehana haingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna ka ampidiro ny mahantra sy ny kilemaina, ny jamba sy ny mandringa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin’ny tompony. Tezitra tamin’izay ny tompony ka nanao tamin’ny ankizy lahiny hoe: ‹Mandehana faingana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka ento mankaty ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin’ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin’ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin’ireo kianja sy araben’ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin’ny jamba sy ny mandringa.»
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga ilay mpanompo dia nambarany tamin’ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nilaza tamin’ilay mpanompony hoe: Mandehana haingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna ka ampidiro ny mahantra sy ny kilemaina, ny jamba sy ny mandringa.
malagasy