Luke 14:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na ho vitany na tsia, miaraka amin’ny olona iray alina, ny hifanandrina amin’ilay mitondra roa alina?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha misy mpanjaka handeha hanafika mpanjaka hafa, dia hipetraka izy aloha handinika tsara, hahitany raha azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hifanandrina amin’ny fahavalony manana miaramila roa alina.
Malagasy Bible 1865
Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia?