Luke 14:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nilaza tamin’ireo Izy hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy avy hatrany na dia amin’ny andro Sabata aza?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay Izy vao nilaza tamin’ireo hoe: «Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jesoa tamin-dry zareo: –Iza moa aminareo no manana zanaka na omby sendra latsaka anaty lavaka fantsakana, ka tsy hisintona azy faingana, na dia sabata aza ny andro?
Malagasy Bible 1865
Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nilaza tamin’ireo Izy hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy avy hatrany na dia amin’ny andro Sabata aza?
malagasy
Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza?