Luke 15:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga izy ka nankany amin’ny rainy. Fa raha mbola lavitra izy dia tazan’ny rainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy irainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy. Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga izy ka nankany amin’ny rainy. Fa raha mbola lavitra izy dia tazan’ny rainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
malagasy
Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.