Luke 15:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa namaly ny rainy izy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho dia tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navaliny an-drainy: Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy izy tamin-drainy: «Jereo ange! Taona firifiry moa izay no nanompoako anao ary tsy mbola nandika ny didinao na oviana na oviana aho; kanefa dia nofy izany hoe mba nomenao zanak’osy iray hiarahako mihinana sy mifaly amin’ny sakaizako.
Malagasy Bible 1865
Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa namaly ny rainy izy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho dia tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako;
malagasy